<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Indreto izahay mitomany,
 Fa be alahelo ny fo ;
 Ny ota no fototr'izany,
 Ny heloko sy ny manjo ;
 Fa reraka re, ny fanahy,
 Mahantra sy be ahiahy,
 Ka tena variana erý.

[V2]
 Ry Tompo, Izay mofon'ny
 aina,
 Ry rano mamelona anay,
 Tsinjovy izay mitaraina,
 Mahantra izao izahay !
 Onòny ny fonay fa voa,
 Omeo izay mahasoa,
 Monena aminay Hianao.

[V3]
 Ny fonay dia be hetaheta,
 Maniry indrindra Anao ;
 Ry Tompo, mba mampahareta
 Anay ho mpanaraka Anao ;
 Ny reraka ataovy mahery
 Vonjeo izahay olom-bery ;
 Matoky Anao izahay !</lyrics>
<title>Indreto izahay mitomany FFPM596</title>
<hymn_number>596</hymn_number>
</song>